Acts 17

1Ary rehefa nandalo ireo tanànan’ny Anfipolia sy Apolonia izy ireo, dia tonga tao amin’ny tanànan’i Tesalonika izy ireo, izay nisy Synagogan’ny Jiosy. 2Paoly, araka ny fomba fanaony dia nankeo amin’izy ireo, ary niady hevitra niaraka tamin’izy ireo avy ao amin’ny Soratra Masina nandritra ny andro Sabata telo.

3Nosokafany ny Soratra Masina ary nazavainy fa nilain’ i Kristy ny nijaly sy hitsangana indray amin’ny maty. Hoy izy hoe: “Io Jesosy izay ambarako aminareo io no Kristy.” 4Resy lahatra ny sasany tamin’ireo Jiosy ary nanaraka an’i Paoly sy Silasy, anisan’izany ireo mpivavaka Grika maro an’isa, ary tsy vitsy ny vehivavy mpitarika.

5Fa ireo Jiosy tsy mpino nenti-pialonana dia naka ireo olona ratsy fanahy avy any an-tsena, nanangona niaraka ny vahoaka, ary nampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tranon’i Jasona, te hitondra an’i Paoly sy Silasy hiala ny vahoaka izy ireo. 6Fa rehefa tsy hitany izy ireo, dia notarihan’izy ireo i Jasona sy ny rahalahy hafa sasany ho eo anoloan’ny manam-pahefanan’ny tanàna, nitomany, “Ireto lehilahy izay nampitsimbadika izao tontolo izao ireto dia tonga eto ihany koa. 7Ireto lehilahy izay nampandrosoan’i Jasona ireto dia manohitra ny didin’i Kaisara; miteny izy ireo fa misy mpanjaka hafa-dia i Jesosy.”

8Voaelingelina ny vahoaka sy ny manam-pahefana teo amin’ny tanàna rehefa nahare izany zavatra izany. 9Fa rehefa avy eo ny manam-pahefana nampanao sy nampandoa vola an’i Jasona sy ny ambiny mba ho antoka, avy eo izy ireo namela azy ireo handeha izy ireo.

10Nalefan’ireo rahalahy tany Beria ny alin’iny i Paoly sy Silasy. Rehefa tonga tany izy ireo, dia niditra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy. 11Ary ireo olona ireo dia mihaja kokoa noho ireo any Tesalonika, fa nandray ny teny tamim-pahavononan’ny saina rehetra izy ireo, nandinika ny Soratra Masina isan’andro mba hahita raha tena izany tokoa ireny zavatra ireny. 12Noho izany dia maro tamin’izy ireo no nino, tao anatin’izany ny vehivavy Grika manan-kaja sasany sy lehilahy maro.

13Fa ireo Jiosin’ny Tesalonika rehefa nahare fa i Paoly dia nanambara ny tenin’Andriamanitra tao Beria ihany koa, dia nandeha teny izy ireo ary nampitabataba sy nampikorontana ireo vahoaka. 14Ary avy hatrany, ireo rahalahy nandefa an’i Paoly ho any an-dranomasina, fa i Silasy sy i Timoty nijanona teo. 15Ireo izay nitarika an’i Paoly nitondra azy hatrany amin’ny tanànan’i Atena. Raha namela an’i Paoly teo izy ireo, dia nandray torolàlana avy aminy ho an’ny Silasy sy Timoty mba hankany aminy haingana araka izay azo atao.

16Ary raha niandry azy ireo tany Atena i paoly, dia tonga tezitra tao anatiny ny fanahiny raha vao nahita ny tanàna feno sampy. 17Ka niady hevitra tao amin’ny synagoga niaraka tamin’ireo Jiosy sy ireo hafa izay nanompo an’Andriamanitra izy, tahaka izany koa ny tao amin’ny toeran’ny raharaham-barotra niaraka tamin’ireo izay teo.

18Fa ny sasany tamin’ireo filozofa Epikoreana sy Stoika ihany koa nifanena taminy. Ny sasany nilaza hoe: “Inona no tian’io be resaka io ho lazaina?” Ny hafa nilaza hoe: “Toa ohatran’ ilay iray izay miantso ny olona hanaraka ireo andriamanitra hafahafa izy,” satria nitory an’i Jesosy sy ny fitsanganana amin’ny maty izy.

19Naka an’i Paoly izy ireo ary nitondra azy tao amin’ny Areopago, niteny hoe: “Afaka mamantatra izany fampianarana vaovao izay noteneninao izany ve izahay? 20Fa mitondra zavatra hafahafa tsy fahenon’ny sofinay ianao. Noho izany, te hahafantatra ny dikan’izany zavatra izany izahay.” 21( Ary ny Atenina rehetra sy ny vahiny nipetraka dia nandany ny fotoanany tamin’ny tsy nisy fa ihany koa tamin’ny filazana na fihainoana momban’ny zava-baovao.)

22Ka nitsangana teo afovoan’ny Areopago i Paoly ary niteny hoe: “Ianareo lehilahin’i Ateniana, hitako fa tena relijiozy amin’ny fomba rehetra ianareo. 23Fa raha nandalo aho ary nandinika ny tanjon’ny fomba fanompoam-pivavahanareo, dia nahita alitara aho misy ity soratra ity hoe: “Ho an’Andriamanitra Tsy Fantatra. “Inona noho izany no hivavahanareo ao amin’ny tsy fahafantarana, izany no lazaiko aminareo.

24Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra eo aminy, satria Tompon’ny lanitra sy ny tany Izy, tsy mipetraka ao anaty tempoly voaorina tamin’ny tanana. 25Na izy tsy notompoina tamin’ny tanan’olona, toy ny nila zavatra izy, satria izy tenany no manome fiainana ny olona sy ny fofon’aina ary ny zavatra hafa rehetra.

26Avy amin’ny olona iray no nanaovany ny firenena rehetra ho an’ny olona mba hiaina eo ambonin’ny tany, namaritra ny vanim-potoan’izy ireo sy nanendry ny toera-ponenana ary ny andro iainan’ireo, 27ka mba tokony hitady an’Andriamanitra izy ireo, raha toa ka mety hahatratra sy hahita Azy izy ireo. Kanefa mbola tsy lavitra antsika tsirairay avy Izy.

28Satria isika dia mivelona sy mihetsika ary manana ny maha-izy antsika, tahaka ny notenenin’ny iray amin’ny mpanao tononkalonareo manokana hoe: “Fa taranany ihany koa isika.” 29Noho izany, satria zanak’Andriamanitra isika, isika dia tsy tokony hieritreritra fa ny hatsaran’ny fombany dia mitovy amin’ny volamena, na volafotsy, na sary-vongana izay noforonina avy amin’ny asa tànana sy aingam-panahin’olombelona.

30Noho izany dia nohadinon’Andriamanitra ny fotoan’ny tsy fahalalana, fa ankehitriny mandidy ny olona rehetra eny rehetra eny mba hibebaka izy. 31Izany no izy satria nametraka andro izy hoe rahoviana no hitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny olona izay nofidiany. Nanome porofon’io lehilahy io tamin’ny olona tsirairay tamin’ny alalan’ny fananganana azy tamin’ny maty Andriamanitra.

32Ary rehefa nahare ny fitsanganana amin’ny maty ny olon’i Atena, dia naneso an’i Paoly ny sasany; fa ny sasany nilaza hoe: “Hihaino anao indray momba izany zavatra izany izahay.” 33Taorian’izay, nandao azy ireo i Paoly. Fa ny sasany tamin’ny olona nanaraka azy ary nino, tao anatin’izany i Dionysio Aeropagita, vehivavy antsoina hoe Damary, ary ny sasany niaraka tamin’izy ireo.

34

Copyright information for PltULB